<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>G.F. Root</author>
<lyrics>[V1]
 Misy tany mahafaly,
 Tany izay alehanay,
 Tany misy an'i Jeso,
 Jeso Tomponay !
 Tany soa maharavo,
 Tany tadiavinay !
 Afa-tahotra, afa-doza
 Izay tafiditra ao.

[V2]
 Tany tia mpivahiny,
 Tany namboarinao,
 Ry Jesosy be fitia,
 Jeso Tomponay !
 Ho anay atý an-tany
 Izay mba malahelo fo
 Noho ny fomban-tany ratsy
 Mahazatra anay.

[V3]
 Maro be ny fahavalo
 Izay miady aminay ;
 Mafy ny fakam-panahy
 Hitanay atý ;
 Sakan-dalana, ady mafy
 No alehanay izao :
 Be tokoa ny mampahory,
 Nefa fantatrao.

[V4]
 Eny, fantatrao, ry Jeso
 Fa izahay mpanomponao
 Dia handresy ny devoly
 Noho ny herinao ;
 Koa ampionao izahay re
 Mba hiankina aminao
 Hahatraranay ny tany
 Namboarinao.</lyrics>
<title>Misy tany mahafaly FFPM688</title>
<hymn_number>688</hymn_number>
</song>